Saro-piterahana indray ny PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar),
izay saika hatolotra sy hampahafantarina ny 19 janoary lasa teo, saingy nifanitsaka tamin’ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo 2021 natao tany Taolagnaro. Hatry ny omaly 25 janoary 2021, dia tsy mbola voafaritra mazava ny daty hamoahana azy amin’ny fomba ofisialy, fa dia hoe mbola hisy fifampidinihana amin’ny mpamatsy vola raha ny nambaran’ny Tale Kabinetran’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ny 16 janoary lasa teo. Sahirana tanteraka ny Fanjakana Rajoelina, ary mbola ho ady mafy ny fandresen-dahatra ahafahana mahazo famatsiam-bola 8 miliara dolara ho an’ny làlana sy ny làlam-be migodana na “autoroute” fotsiny, izay avo 10 heny eo amin'ny fanampiana ara-bola azo tamin'ny krizin'ny covid-19. Tsy maniry velively ny hisian’ny fitsivalanana na tsy fahombiazan’ny Fitondrana ankehitriny amin’ny fifandresen-dahatra ara-diplaomatika, fa sarotra ho an’ny Fanjakana amin’izao fotoana izao no ahita valiny mahafa-po sy fitokisana feno avy amin’ny mpamatsy vola. Mitombo ny ahiahin’ny mpiara-miombon’antoka noho ny antony maro: kolikoly mahazo vahana, fahalovana, ny tsy fisian’ny demokrasia, trafikana volamena…Mikatso izany aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.