Politique

Profesora Raymond Ranjeva Nasaina niala mangingina an’i Madagasikara ?


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Araka ny loharanom-baovao dia nampitandrina mafy ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) ny sehatra iraisam-pirenena taorian’ny raharaha nahakasika ny Profesora Raymond Ranjeva.

Noho io antony io dia fantatra ankehitriny fa nomena an-tanana an’ity profesora ity mihitsy ny zoma alina ny fanafoanana ny tsy fahafahana miala an’i Madagasikara. Tamin’io fotoana io ihany dia nasaina niala teto izy ka ny sabotsy vao mangiran-dratsy, tamin’ny 2 ora maraina no nandeha tamin’ny zotram-piaramanidina Air France nihazo an’i Parisy. Maniry mafy ny hiverina eto an-tanindrazana izy araka ny tsiliantsofina saingy tsy mbola fantatra izay antsojay hataon’ny FAT aminy indray amin’izay fotoana izay. Araka ny loharanom-baovao anefa dia fantatra fa tsy maintsy hiverina izy. Porofon’izany na ny vadiny na ny zanany dia samy tsy nisy niaraka taminy avokoa tamin’ity diany ity. Asa na noho ny fanerena mafy loatra no anton’izay. Anisan’ny nahavariana ireo mpitandro ny filaminana teny Ivato ity tranga ity satria na ny tao anatin’ny ordinatera milaza fanakanana ny profesora Raymond Ranjeva aza tsy mbola maty nefa gaga izy ireo nahita ilay taratasy milaza ny fanalana izany teny an-tanan’ity farany.

Araka ny loharanom-baovao ihany dia ny ministry ny Atitany Jean no nanao sonia ilay taratasy io ary rehefa noporofoina dia voamarina tokoa. Hatrany am-boalohany dia tsikaritry ny maro fa matahotra mafy an’ity profesora ity ny FAT. Fa ny nahagaga ny nandefasana azy any an-dafy nefa olona voakasika ny raharaha voalaza fa fanonganam-panjakana. Anisan’ny tena mampatahotra ny FAT ihany koa ny maha mpitsara iraisam-pirenena azy izay betsaka ireo namany sy ireo olom-pantany niara-niriaria taminy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny maha Katolika azy ihany koa. Tsy vitan’ny mpino tsotra mantsy izy fa tena lohandohan’ny Laïka Katolika mihitsy eny Andohalo, ary mpanolotsain’ny Papa Ray Masina eo amin’ny resaka fitsarana sy fandriampahalemana ihany koa. Araka ny fantatra dia nanara-maso ity raharaha ity mihitsy ny teny Andohalo ary efa nanomboka sorena ihany tamin’ny fihetsiky ny FAT tamin’ny nanagadrana ny zanak’ity profesora ity. Ho hita eo ny tohiny. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT