Manoloana ny olana mikasika ny fiatrehana ny havesatry ny asa fampianarana sy fikarohana ety amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana,
hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny foibem-pikarohana nasionaly, Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina, dia manamafy ny SECES Antananarivo fa tsy hanatanteraka afa-tsy ny fetr’asa tsy maintsy tanterahana isan-taona mba hampanenoana lakolosy fa indrindra, hisorohana ny mety ho fitakiana amin’ny alalana grevy ny “vacation” na oran’ny asa an-tselika sy ora fanampiny. Mahatsapa izahay, hoy izy, fa ho ratsy tokoa ny fandehan-javatra raha toa ka tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana manoloana ny olana misy. Raha ny ¾ ny asa fampianarana sy fikarohana ato amin’ny fakiolten’ny siansa no tanterahan’ny mpampianatra raikitra nefa mbola misy ny ora fanampiny dia rehefa tsy manao afa-tsy ny fetr’asa tsy maintsy tanterahana izahay dia azo antoka fa mety ho very any amin’ny 80% ny asa tsy misy mampianatra ato. Ny 264n’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto amin’ny fakiolten’ny siansa no raikitra ary mbola miampy mbola miampy isa 60 na 70 any ho any ireo mpiasa an-tselika. Ny any amin’ny fakiolten’ny EGS sy DSP moa dia latsaky ny 1/3n’ireo seham-pampianarana ireo no mpampianatra raikitra. Ny ao amin’ny politekinika dia efa fantatra fa mihoatra ny 50%n’ny asa tanterahana dia ataon’ny mpampianatra an-tselika avokoa. Santionany vitsy ilazana ny tsy fahampian’ny mpampianatra raikitra izany. Miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ireo toe-javatra ireo ary hamaha ny olana sy hanome vahaolana maharitra dia ny fandraisana mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra maro. Mba 500 fa tsy 100 isan-taona toy ny tamin’ny taona lasa sy tamin’ity, ohatra, fara faha keliny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SECES Antananarivo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.