Efa soso-kevitra nomeko foana ny hoe tokony izao no hitondrana aingana ny fanarenana ny toekarena, hoy ny mpahaitoekarena, Pr Ralison Roger,
saingy ohatrany tsy nisy nihaino moa ilay izy dia aleon’ny tena aloha mangina mandra-pahatongavan-tsain’ny mpitondra. Efa 3 taona izao no nitondran’ny mpitondra, hoy izy, ka heveriko fa tokony efa ho hainy ny tokony ataony, ny mety sy ny tsy mety. Ireo mpanasoaso ny filoham-pirenena ireo ve tena tia azy sa mametraka fandrika ho azy? Ireo dia milaza ny tsikera atao amin’ny fitondrana ho fanendrikendrehana sy lainga foana ary manatavitavy kokoa ny resaka rehefa misy fanasoasoana. Safidin’ny mpitondra io. Rehefa mitondra firenena tsy maintsy mahatanty tsikera ary manaiky ny tsikera manatsara zavatra. Efa betsaka izao ny miteny hoe atahorana ny fipoahana ara-tsosialy ka tokony hampiheritreritra ny fitondrana. Vahaolana dia hoe andao hiresaka an-databatra boribory miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny ao amin’ny fitondrana, ny hery afovoany, ny mpanohitra. Raha mbola hitohy amin’izao isika dia manahy fipoahana sosialy aho satria niainana tamin’ny andron’ny Herivelona Rasalama tamin’ny taona 1991 izany. Tsy azo anaovana hamafisan-doha io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.