Tsy mazava amiko loatra, hoy ny mpanao politika, Prof James Ratsima, ny antony nitenenan’ny mpanabe namako, Paul Rabary, fa mbola ho lany ny filoham-pirenena amin’ny taona 2023.
Tsy mazia izany, hoy ity mpanao politika ity, nanakiana mafy. Tapitra mahalala ny olona fa ho lany izy. Feheziny daholo na ny CENI na HCC na mpitandro filaminana. Eo am-pelatanany ny rafitra rehetra hatramin’ny antenimierampirenena sy loholona. Lany 150% toy ny taloha ihany izy izany. Tsy misy mazia izany fa iaraha-mahalala fa izany no miseho. Mahatoky ve ianao andriamatoa Paul Rabary fa hanaiky izany ny vahoaka? Midika izany fa raha lany izy dia hangala-bato dia hanao birao foronina na “bureau fictif” ianareo dia ny governora napetrapetrakareo toy ny tamin’ny fanjanahantany ihany no hitantana ireo faritra 23 satria ianareo no manam-bola. Tsy hisy vahoaka hanaiky izany intsony ka raha mpanabe no miteny izany, izay heverina fa natao hitondra fahazavana eto amin’ny firenena, ka te hisolelaka dia mandehana misolelaka any amin’ny fitondrana fa hahita raharaha ianao! Aza maniratsira ny vahoaka toy izany! Be ianareo no efa naniratsira ny vahoaka na ny praiminisitra io na ny filoha. Ianareo rehetra dia manitsakitsaka ny vahoaka kely Malagasy. Misy valiny ireny. Sanatria tsy hiantso tody ny taranakareo aho fa mitondra ny anaranareo daholo ny zanakareo. Tadidio fa na Rasanjy aza hatramin’izao fotoana izao dia mbola malaza fa mpivarotra tanindrazana! Mipetraka amin’ny tantara Malagasy izany. Manana zom-pirenena frantsay daholo ireo karana mitady zom-pirenena ireo ary “Consul” amina firenena be dia be mba hahazoany fiarovana manokana na “immunité”. Izany hoe efa miomana hangalatra izy handroba ny firenena Malagasy dia miomana tsy ho voasazy, hoy hatrany I James Ratsima.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.