Politique

Printsy Elakovelo olon-dRatsiraka « Tena tsy mahay politika ity Fitondrana ity »


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Nampahatsiahy ny Prince Hector Elakovelo isan’ireo olona novolavolain’ny Amiraly Didier Ratsiraka, fa 18 ireo manamboninahitra “officiers” nikaon-doha tamin’izany hananganana ny “Directoire Militaire”

nivoahan’ny Capitaine de Frégate Didier Ratsiraka hitantana ny firenena, azo nisaina tamin’ny rantsan-tànana ny manam-pahaizana tamin’izany. Ankehitriny, hoy izy, tsy voaisa ny manamboninahitra ambony satria nosokafany ny sekolin’ny miaramila, polisy, zandary izay izy irery no niantso zanaka Malagasy hiditra amin’izany. 1200 ny mpianatra nalefa any an-dafy, tsy voahisa ny zanaka Malagasy manam-pahaizana. Ara-toekarena, nambarany fa tsy tamin’ny andro nitantanan’ny Filoha Didier Ratsiraka ny fahantrana. 100Ar ny vidin’ny lasantsy tamin’ny 1991-1992! Niditra ny Pr Zafy Albert, nidina 400Ar, ary voatazona (stable) rehefa tafaverina ny amiraly. Ny fanonganana matetika ny mpitondra, hoy izy, no mahatonga ny firenena mitsitsorika. Nampianatra olona marobe ny Amiraly, betsaka no nomeny toe-tsaina, ary isan’izany izahay, hoy ity Printsy ity.
TSY MAHAY POLITIKA
Banga ny tanjaka politika sy ny fahaizana politika, ary tsy fisian’ny traikefa politika no ambarany fa mampitsotsorika ny firenena, ary raha olona tsy mahay politika tokony hodidinina mpanao politika, hoy izy raha nanontaniana ny fomba fitantanana ankehitriny. Ohatra, ny fanovana Praiminisitra tsy izy io. Miankina amin’ny rivotra politika amin’ny vahoaka andriamanjaka no hanovana mpitantana amin’ny fitantanana iray. Betsaka ny zanaka manam-pahaizana zanaka politisianina eto Madagasikara fa tsy olon-tokana, ka anontanio izahay olon’ny Amiraly izay afaka miteny fa ampy traikefa politika ny tenanay teo akaiky ary tsy azo fitahina amin’ny politika, hoy izy. Ny vahoaka Malagasy ihany koa efa mahay politika, ary mahafantatra ny zavatra tsy mety ataonao, hoy ity politisianina ity. Nambarany fa kinamanamana sy akamakama ny fanaovana politika fa tsy ny tombotsoa ambonin’ny firenena no misy. Tsotra, tsy ampy fahaizana politika, tsy ampy traikefa politika ny mpitantanana ankehitriny, azo ianarana izany. Raha te hitondra maharitra, dia tokony hianarana ny nataon’ny Filoha Ratsiraka. Raha nitantana izy tsy Arema irery no tao anatin’ny Fitondrana: Andriamanjato Richard AKFM, Manandafy Rakotonirina MFM, ny Vonjy iray tsy mivaky, ny RPSD an’i Voninahitsy Jean Eugène nanolotra an-dRtoa Jaotody Noeline,,.. Ny antoko rehetra tao anatin’ny governemanta, ary nananganana andrim-panjakana CSR (Conseil Superieur de la République) nanodidina ny Amiraly, ary tsy nisy mpanohitra teto. Ny fahaizana politika dia miantso ny antoko politika rehetra manana tanjaka eo amin’ny firenena hiara-hitantana. Nambarany fa betsaka ny antoko politika manana hery ary firenena iray ity, fa firenena iaraha-manana ity fa tsy an’olon-tokana, ka nnilazany fa tsy ny Arema irery no nitantana tao anatin’ny 20 taona. Tsara anefa ny mampahatsiahy, ny Filoha Rajoelina dia isan’ireo notoloran’ny Amiraly saina, ary efa nilaza izy fa fahavelony fa tao ambadiky ny raharaha 2009.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT