Ho an’ny Printsy Elakovelo dia tokana ihany ny filoha mpitarika ny Arema dia ny amiraly Didier Ratsiraka. Tsy mahalala olon-kafa ankoatra ny filoha Ratsiraka izahay, hoy izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro lasa teo.
Natao moa izao fanamarihana izao, araka ny nambarany mba hanazavana tsara ny sain’ny olona, indrindra fa ireo kamarady Arema manoloana ny teti-panorona ataon’ny andian’olona sasany hampisaraham-bazana ny antoko amin’izao fotoana. Tao anatin’ny antoko no nanala tena i Pierrot Rajaonarivelo, araka ny filazany koa inona indray no antony mbola hanakinana aminy ny fitarihana ny antoko ? Efa manana ny MDM izy, hoy ihany ny Printsy Elakovelo ka tsy tokony handondom-baravarana any amin’ny Arema intsony. Nanamafy ihany koa izy fa avy any amin’ny amiraly Ratsiraka ny toromarika rehetra amin’ny fandaminana ny antoko.
Misy ireo solotenany eto an-tanindrazana, koa tokony hanaraka sy hankato izany ny kamarady mpikambana rehetra. Ireo mpikambana tsotra avy ao amin’ity antoko ity izay nanontaniana momba izao raharaha izao moa dia samy manana ny fomba fijeriny, ao no mieritreritra fa rariny sy hitsiny raha ny filoha mpanorina, izay mbola velona sy salama tsara no mitantana ny antoko, ary tokony manaja izany ny rehetra, fa izay tsy mankasitraka dia afaka miala, ary manangana antoko hafa, fa tsy sady mitondra ny anaran’ny antoko ihany no manipy hoditr’akondro noho ny fitiavana seza sy voninahitra. Ao kosa ireo milaza fa efa tsy mahazaka mitantana antoko lehibe tahaka ny Arema intsony i Didier Ratsiraka ka aleo ny tanora mahavita azy hitondra ny baolina satria ho mafimafy ny ady hatrehana amin’ireo fifidianana ho avy. Fa misy ihany koa ireo milaza fa fanina tsy mahita izay lalan-kombana noho ity ady seza eo amin’ny samy mpitarika ity, ary ny tena mampanahy araka ny nambaran’ireto sokajy fahatelo farany ireto dia mety hampihena ny herin’ny Arema izao tsy fifankazahoana eo amin’ny samy mpikatrika izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.