Politique

Prince Dr Ndriana Rabarioelina Andao hijoro fa potika ny firenena


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Namoaka fanambarana momba ny raharaham-pirenena ny Prince Dr. Ndriana Rabarioelina, avy amin'ny Lahimatoan'Imerina,

 

 

 lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara ny sabotsy 7 martsa teo. Nahitsy izy nilaza fa ny fifidianana rehetra nanomboka tamin'ny taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy hala-bato goavana. Aoka izay ny fanapotehana ny firenena sy ny fanjakazakan'ny vahiny mpanjanatany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy ary mpanototra tanimbary, hoy ny fanambarana hentitra dia hentitra. Ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny fijoroan'ny Fanjakan'i Madagasikara no vahaolana tokana hampandrosoana indray ny firenena. Manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Tanindrazana ! "Ny Fahamarinana no manandratra ny firenena, tany masina i Madagasikara”, hoy ny fanambaran’ity lehiben’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT