IEM, Velirano, PGE, IGE.Nahafanina ny vahoaka malagasy na dia ny manavaka an’ireo fotsiny aza hatramin’izao.
Misy ihany ny fanazavana isan-karazany natao fa rehefa mijery ny asa ataon’ny fitondrana ankehitriny na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa io na eo amin’ny lafiny sosialy, indrindra moa, ny lafiny toekarena sy ny hafa rehetra dia iaraha-mahita ankehitriny fa antony mahavoatsikera izao fitondrana izao ny tsy fahitana ny filaharan’ny tokony ho laharam-pahamehana anatin’ny asany. Maro ny very asa, very fitadiavana, noana ny vahoaka kanefa dia fananganana kianja masoandro anaty rova no tetikasa nisongadina. Fandravana tsena sy toeram-pivarotana no hita teto Andrenivohitra. Ankehitriny moa izany dia voalaza indray ny hametrahana ny atao hoe “Plan Marshall” amin’ny alalan’ny tetibola 1043 miliara ariary. Raha tsiahivina ny tantara dia paikady nentin’ny amerikanina nanorenan’izy ireo ny fahavoazany taorian’ny ady lehibe faharoa izany “Plan Marshall” ary tao anaty 4 taona no nanatontosana azy. Io ve izany no ho tanterahin’ity fitondrana ity mandrapaha tapitry ny taom-piasany sisa ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.