Politique

Praiministry ny tetezamita Sady manda no manaiky i Tantely Andrianarivo


  • Talata 04 Janoary 2011

Tafaverina eto an-drenivohitra ny ahahady 02 janoary teo rehefa avy niala sasatra nandritra ny herinandro tany Anjajavy, nosikely paradisa ao amin’ny distrikan’Analalava, i Tantely Andrianarivo mianakavy.

Tany rahateo izy no namarana ny taona 2010 sady nitsena ny taona vaovao 2011, nisintaka kely ny resabe amin’ny tontolo politika, indrindra mikasika ny fananganana ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena izay resahina betsaka amin’izao fotoana ka mahavoatonontonona ny anarany amin’ny toeran’ny praiministra. Nanipy teny mikasika io rahateo ny tenany raha tafaresaka tamin’ireo karamady Arema tonga nitsena azy tao Amborovy ny alahady teo, nialoha ny nandraisany fiaramanidina hiazo ny renivohitra. Araka ny fantatra dia notsipihiny mazava fa tsy mivonona ho praiministry ny tetezamita izany izy raha hanamarinana sy hanamafisana orina ny fitondran’i Andry Rajoelina, tsy manda kosa anefa izy raha toa ka hanarina an’i Madagasikara ka ankatoavin’ny ankolafy rehefa izany. Nohamafisiny tamin’io koa fa Arema hiringiriny izy ary tsy hivadika amin’izay nifanekena. Araka ny fantatra dia hiazo an’Ambositra, tanindrazany ny tenany, ny faran’ny herinandro izao, hiara-hanamarika amin’ireo finakaviany any Betsileo ny Asaramanitra. 

Nangonin’i Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT