Miha mitovy ny tadin-dokangan’ireo ankolafy politika fa tsy mety raha toa ka tazomina amin’ny toerany ny praiministra ankehitriny, ny jeneraly Camille Vital.
Ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo dia efa tsy dia mankasitraka azy satria tsy ahitana taratra ilay hoe praiministry ny marimaritra iraisana mihitsy ity manamboninahitra nahazo galonana jeneraly tamin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ity. Ny ankolafy telo moa dia mitsivalana tanteraka ary hatramin’ny farany ny mbola hitoeran’i Albert Camille Vital eny Mahazoarivo ary efa nampahafantatra tsara izany tamin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Manomboka miverina eo amin’ny tontolo politika indray izao ny anaran’Atoa Mangalaza Eugène, saingy tsy voafaritra mazava aloha hatreto ny fanapahan-kevitra farany momba ity toeran’ny praiministry ny tetezamita ity.
Fa ny azo antoka fotsiny dia raha hajaina ireo fifanarahana rehetra, indrindra fa ny tany Maputo sy ny fifanarahana politika teny Ivato dia tsy maintsy ho voailika, tahaka an’i Monja Roindefo ihany i Camille Vital satria tsy mahafeno ny fepetra. Tsy mbola vita moa ny adihevitra eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa eo ambany fanelanelanan’ny SADC, satria tsy nisy ny fifanarahana lasitra nosoniavina, ary raha ny marina dia tsy maintsy miandry ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy Efatra sy izay filohana vondrona politika hafa ny famaranana izany. Koa dia mbola manana fotoana hitoerana eny Mahazoarivo aloha ny praiministra amin’izao fotoana, fa mety any amin’ny tapaky ny volana febroary any vao ho fantatra ny marina rehetra ka hitsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena hotarihin’ny praiministra vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.