Politique

Praiministry ny marimaritra iraisana Nisintona ny kandidany ny antoko Maitso


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Mba tsy hanasaro-javatra na koa hampitarazoka ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy no anton’ity fanapahan-kevitra goavana ity, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara, Rabeharisoa Saraha Georget omaly. Ramangason Guy Suzon, Tale jeneralin’ny Madagascar National Parks na ny ANGAP teo aloha no kandidan’ny antoko ho amin’io toerana io.

Tetsy andaniny dia nanamafy Rtoa filohan’ny vaomieran’ny tontolo iainana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpikambana eo anivon’ny Escopol, fa manohana izay olona lanieran’ny maro ho amin’io toeran’ny Praiministra io, izay tokony ho sivily raha ny hevitry ny antoko hatrany. Izay no nanaovany antso ho an’ireo antoko hafa, na koa vondron’antoko nanolotra kandida ho praiministra mba hampandefitra ny hambom-po ka hametraka avo ny tombontsoam-pirenena. Mampirisika ny hahitana haingana izay vahaolana tenierana hahafahana manatanteraka ireo fifidianana samihafa amin’ity taona ity, araka ny fanirian’ny antoko, hamaranana tanteraka izao krizy izao. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT