Politique

Praiministry ny marimaritra iraisana Mety amin’ny AKFM i Camille Vital


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny AKFM, Jaozandry Philippe dia tsy mankasitraka velively ny fitsabatsabahan’ny vahiny amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ny antoko AKFM satria firenena mahaleotena no sady manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy mila baikon’iza n’iza izany mihitsy.

Nanamafy i Jaozandry Philippe fa efa ao anatin’ny Repoblika IV isika izao ka tsy tokony hiverin-dalana intsony na handany andro amin’ny adihevitra etsy sy eroa fa ny hanohizana ny ezaka efa natomboky ny samy Malagasy no tokony himasoana. Mikasika ny tetiandron’ny fifidianana indray dia nambarany fa tsy ny fitondrana tetezamita no nanapaka an’io, fa ny solontenan’ny vahoaka nandray anjara tamin’ny fihaonambem-pirenena, ka dia tokony hohajaina izany fa tsy ovaovana isaky ny mihetsika. Eo amin’ilay rekasa fanovana ny governemanta kosa indray dia tsy dia mankasitraka firy an’io loatra ny antoko AKFM, satria mety hanakorontana ny zavatra efa vita izany no sady hanome vahana ny ady seza indray. Raha tsy maintsy hirosoana anefa io raha izay no eken’ny maro an’isa dia mila jerena akaiky ny fanaovana azy, ka hajanona amin’ny toerany ireo ministra hita fa niasa sy nahavita azy, araka ny nambaran’Atoa Jaozandry Philippe ihany. Ho an’ny AKMF ihany koa dia mijanona amin’ny toerany ny praiministra amin’izao fotoana, ny jeneraly Camille Vital, fa dia ny ministra izany no mety hisy hosoloina, na afindra toerana.

Momba ireo ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena kosa dia tsy tokony hisy ny fanakantsakanana na tsidry bokotra avy eto an-toerana, na avy any ivelany, araka ny fahitan’ny AKFM azy, fa ny vahoaka Malagasy ihany no tokony hisafidy izay hitany fa afaka milatsaka hofidiana, ary mbola izy vahoaka masi-mandidy izay ihany koa no mifidy izay olona hitany fa mendrika hitantana ny Repoblika faha-4. Ny AKFM moa dia anisan’ireo antoko mankasitraka ny fehin-kevitra tamin’ny fihaonambem-pirenena. Mety amin’izy ireo izany ilay resaka famotsoran-keloka misy fanavahana, ho an’ny vanim-potoana 2002 ka hatramin’ny 2008. Voailika ao anatin’io ny raharaha 2009 na dia mody nasiana teny kely ihany aza hoe : mila fandinihana manokana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT