Politique

Praiminisitra vaovao Misy anarana 7 nivoaka indray


  • Zoma 19 Martsa 2021

Efa notaterintsika teto omaly ny fisiana fikaonan-doha ara-politika avo lenta mandeha

 

 


 amin’ny mety hisiana fanovana Praiminisitra sy governemanta.
Noresahina ny fisiana vondron-kery voalaza fa mieritreritra ny hanosika an’Atoa Fienena Richard. Manomboka misy anarana maro mifamahofaho, ka mbola tafiditra ho mety hisafidianana ny Praiminisitra ankehitriny Atoa Ntsay Christian izay fonksionera iraisam-pirenena nialohan’ny naha Praiminisitra ny marimaritra iraisana azy taorian’ny hetsiky ny depiote 73 teny amin’ny 13 mey ny 23 aprily 2018. Adihevitra lehibe teo amin’ny mpanohana fitondrana tamin’izany satria tsy isan’ireo nitolona sy nively vy Atoa Ntsay Christian, fa anarana nalatsaka avy any amin’izay nisy azy, izay heverina fa misy dian-tànan’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola voatendry rehefa lasa filoha i Andry Rajoelina. Tsikaritra mandrak’ankehitriny na tsy mivantana aza fa mbola misy ny endrika fifandirana eo amin’ireo mpikamban’ny governemanta tsy tena nitolona sy ireo politisianina nampiakatra ny Filoha Rajoelina, izay tsy maintsy vahany raha tsy te hanampy trotraka ny olana ara-politika efa misy. Anarana mivoaka ihany koa ny an’Atoa José Vianey na “Vijo”, izay mpanolontsain’ny Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny mpikambana tao anatin’ny CSR (Conseil Suprême de la Révolution) tamin’ny Repoblika faharoa, fonksionera tany amin’ny Masoivohon’I Madagasikara tany Washington, efa Ambasadaoron’I Madagasikara tany amin’ny UNESCO Paris, anisan’ireo tsara toerana ho Praiminisitra tamin’ny 2014. Kandida Filoham-pirenena tamin’ny taona 2018, ary nosokajiana tao anatin’ireo kandida « favoris », haverina ho akaiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena, saingy nihemotra tamin’ny fotoana farany. Eo ihany koa I Manoro Régis, izay Sekretera jeneraly vonjimaikan’ny Antoko UNDD naorin’ny Pr Zafy Albert fahavelony, efa minisitry ny fanabeazam-pirenena tany amin’ny taona 2011.

METY HO MANAMBONINAHITRA

Misy anarana manamboninahitra jeneraly ihany koa re fa anisan’ireo mety hisafidianana. Mety ho paikady raisina ao anatin’ny vanim-potoana politika mafana sy krizy eto amin’ny firenena ny fanomezana toerana ny manamboninahitra ambony eo amin’ny fitarihana ny governemanta. Voalohany ny jeneraly Ravelonarivo Jean, manamboninahitra misotro ronono efa Praiminisitra faharoa tao anatin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina, kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018, ary nanohana an’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa. Eo ihany koa ny Jeneraly Edelin Randriamiandrisoa, efa Talen’ny CFIM miantsoroka ny fanaraha-maso an-dranomasina, Talen’ny ARMP eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny tetibola, Talen’ny CCM (Country Coordinating Mechanism) sampan-draharaha mandrindra ny fitantanana ny vola famatsiana momba ny ady amin’ny coronavirus,Ankoatr’izay dia misy an’Atoa Paul Rafanoharana, mpianatra tany amin’ny Saint-Cyr, efa nandalo tao anatin’ny zandarimaria Frantsay, ary voalaza fa efa mpanolontsaina ara-diplaomatikan’I Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT