Praiminisitra vaovao

> Ireo toetra sy fepetra takiana aminy


  • Talata 28 Janoary 2014

Iza ary no ho praiminisitra voalohany ato anatin’ny Repoblika faha-4 ? Any indray ankehitriny ny adihevitra eo amin’ireo mpanara-baovao politika, indrindra fa taorian’ny kabarin’Atoa Hery Rajaonariampianina teny Mahamasina ny sabotsy 25 janoary lasa teo izay toa efa manoritsoritra sahady ny fandaharan’asany sy izay olona mety hiaraka hiasa aminy.

Ilay resaka hoe hanangana governemanta ahitana taratra ny fampihavanana sy ny firaisam-pirenena sy ny hoe fifanomezan-tanana amin’ny rehetra no tena nanintona ny saina. Mandeha ary ny tombantombana maro samihafa ny amin’ny toetra tokony hananan’izany priaminisitra izany sy ny fepetra hisafidianana azy. Araka ny tsiliantsofina re dia efa manana karazana mason-tsivana hisafidianana izay mety ho praiminisitra ihany koa Atoa Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany. Raha ny siosion-dresaka re dia tsy maintsy olona avy any anindran-tany ilay praiminisitra satria efa olona avy eto afovoan-tany ny filoha, sivily fa tsy miaramila mba hitandroana ny maha iray tsy mivaky ny foloalindahy sy tsy hidirany intsony amin’ny fanaovana politika izay mitarika ny fitsitokotokoana noho ny hevitra tsy mitovy nateraky ny fahazoana seza sy ny fialonana. Mazava ho azy fa tsy maintsy praiminisitry ny fisokafana io sady eken’ny mpanohitra, dia ny ankolafy Ravalomanana ary ireo rehetra tsy nankasitraka ny fitondrana tetezamita. Maro ny anarana efa mivoaka, saingy tsy ho fantatra ny tena marina raha tsy tafajoro ny Antenimieram-pirenena, mitsangana ny vondrona parlemantera dia hita eo izay maro an’isa hanolotra ny anaran’ny praiminisitra.

Eo am-piandrasana izany anefa dia efa raikitra ny asa mangina fifandresen-dahatra any ambadibadika any. Zava-dehibe loatra io praiminisitra io satria miankina aminy ny fanatanterahana ny fandaharanasa nambaran’ny filoha nandritra ny fampielezan-keviny. Krizy ho saro-bahana no hitranga eto raha sanatria ka kitoatoa sy atao maimaika fotsiny ny fanendrena io praiminisitra io, na koa tsy mifanipaka fomba fijery amin’ny filoham-pirenena ilay praiminisitra. Ny ankolafy Rajoelina, aloha raha ny fahenoana ny fanehoan-kevitry ny sasantsasany avy ao aminy dia efa manantena mafy fa avy amin’izy ireo ny ho praiminisitra. Etsy ankilan’izay anefa tahaka ny tsy marisika amin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina satria te hiala eo ambany ziogan’i Andry Rajoelina no sady mety efa nahazo toromarika ihany koa tamin’ny diany tany Frantsa, andro vitsy taorian’ny nahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana faharoa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT