Praiminisitra vaovao

> Azo soloina aorian’ny fahadisoana goavana


  • Alarobia 19 Febroary 2014

Nikatona teo indray aloha ny adihevitra mikasika ny fomba fanolorana ny praiminisitra miainga avy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena izay voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalŕmpanorenana.

Efa namoaka ny heviny sy nanazava ny voarakitr’ity andininy niteraka tsy fitoviam-pijery teo amin’ireo vondrona sy firehana politika samihafa mantsy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Ireo vondrona solombavambahoaka maro an’isa no manolotra ny anaran’izay ho lehiben’ny governemanta hotendren’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fanamarihana nataon’ireo mpitsara miambina ny Lalàmpanorenana eny Ambohidahy. Nanamarika ihany koa ireto mpikambana ao amin’ny HCC ireto fa tsy manana zo hanala na hanolo tsotra izao ny praiminisitra notendreny ny filoham-panjakana. Amin’ny alalan’ny fametraham-pialana na ny fisian’ny fahadisoana goavana ihany no ahafahan’ny filohan’ny Repoblika manaisotra ny lehiben’ny governemanta amin’ny toerany, hoy ny fanampim-panazavana nomen’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana mikasika ny andininy faha-54 tapany faharoa voalazan’ny Lalàna fototra Malagasy. Fanontaniana mipetraka sahady ho an’ny mpanara-baovao ny hoe aiza ho aiza amin’io ilay politikam-pisokafana tamin’ny kabary ofisialy voalohany nataon’ny filohan’ny Repoblika ? Dingana ihany ny fanendrena ny praiminisitra fa ao amin’ny firafitry ny governemanta no tena ahitana izay.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT