Politique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »


  • Alarobia 03 Jona 2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

 

 

 

 

 

Raha tsy mampiakatra ny trosa isika dia ho sarotra ny hitantanana ny toekarena, hifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy maintsy hanarina ny toekarena amin’ny alalan’ny fampiasam-bola isika. Miova ny lamina ara-bola mikasika ny PEM (Plan Emérgence Madagascar) noho ny zava-misy. Vola hatramin’ny 2000 miliara ariary no tombanana fa tsy miditra amin’ny kitapombolam-panjakana amin’ity taona 2020 ity noho ny krizy. Vola tokony holaniana amin’ity taona ity anefa izany. 0,8%, hatramin’ny 2,1% ny fidinan’ny harin-karentsika. Miantoka ny 36% amin’ny harin-karena faobe eto Madagasikara na ny PIB ny trosa ho an’i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny minisitry ny toekarena sy ny Atoa Richard Randriamandranto. Mikasika ny toekarena kosa, dia hojerena ny fanampiana ireo orinasa madinika, ny sehatry ny fambolena,… ao anatin’ilay drafi-panarenana hamehana. Mbola tsy voaresaka mihitsy ny fampiasana ny 444 tapitrisa dolara avy amin’ny mpamatsy vola, ka miandry izay ny loholona. Nesorina amin'ny toerany Tale roa eo anivon'ny fanaraha-maso ny vola. Tsy misy zavatra hafenina fa fanintsiana izay tokony hahitsy. Anisan'ny tena mijery akaiky ny resaka tsenam-panjakana ireo, hoy ny fanazavana. Tsy misy olona esorina tsy amin'ny Antony. Tsy misy hidiran'ny politika, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT