“Tsy fotoana ny adilahy politika intsony izao fa fampandrosoana ny firenena no tokony hojerena,” hoy ny praiminisitra Ntsay Christian raha nanontaniana ny raharaha politika misy ankehitriny.
Raha ny resaka CENI, dia nanao fanambarana izany vaomieram-pirenena izany tamin`ny anarany hoe fanambarana nataon`ny mpikambana iray ao aminy iny fa tsy amin`ny anaran`ny CENI mihitsy. Noho izany, olona iray no nanao fanambarana ka aoka hazava, hoy ny lehiben`ny governemanta. Ninian`ireo mpanohitra ankehitriny navadika amin`ny adihevitra diso hatrany ny fanapahan-kevitra izay noraisin`ny fitondram-panjakana entina hampandrosona ny firenena. Misy tompondaka eran-tany amin`ny fanaovana politika ka avela azy mikasika izay tsy natao. Ny mpanao politika dia tokony hahalala tsara fa tsy eken`ny malagasy intsony ny hitohizan`ny krizy vaovao. Tsy mendrika ho an`ny vahoaka Malagasy intsony ny fisian`ny krizy politika fa ny fiaraha-misalahy amin`ny fiainan`i Madagasikara no tokony hatao. Miandrandra fampandrosoana ny Malagasy. Ny fitoniana no ahafahana mitondra fampandrosoana an`i Madagasikara manoloana ny sahoan-dresaka miseho amin`izao fotoana izao, hoy hatrany ny fanazavana. Izao indray aloha vao re naneho hevitra ny praiminisitra Ntsay raha nangina teo aloha teo
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.