Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Sarotra ny hanilika azy


  • Zoma 05 Jolay 2019

Aao anatin’ny heriny tanteraka ny IRD ary inoana fa misy manonofy ho praiminisitra ao. Mora kokoa ho an’ireo depiote IRD etsy Tsimbazaza ny mifandresy lahatra sy mamoaka olona avy amin’izy ireo na olona tena iray antoko sy vondron’antoka aminy hitana io toerana io.

 

 

Manana bala fitifirana amin’ny alalan’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ny IRD satria ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa no manolotra ny anarana hotendrena ho lehiben’ny governrmanta. Atoa Ntsay Christian dia tsy ao anatin’ny antokon’izy ireo fa avy aty ivelany mihitsy, olona akaiky ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola sy atokisany. Manelingelina ny IRD izy izay mirehareha amin’ny fananana depiote maro, kanefa sarotra ny hanilika azy ary mety hahatapaka ny tadim-poitra amin’ny mpamatsy vola izay mila tambatambazana hatreto raha atao koposoroka. Na efa somary halan’ny IRD sy ny mpiara-dia amin’ny filoha sasany aza izy, dia mbola mandindona ao an-damosiny ny sehatra iraisam-pirenena raha tsy hoe misy olon-kafa tian’ireo hapetraka eo angaha. Omaly ny filoha Rajoelina, dia nampahatsiahy fa zava-dehibe ny hisian’ny ny tombana amin’ireo minisitra ka tsy maintsy hatao izany. Ho hita eo izay minisitra  nahavita ny asany ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy. Inona no tokony mbola harenina sy hohatsaraina ? Hojerena ny fanendrena ny praiminisitra dia ho hita manaraka eo ny governemanta, raha ny ny nambaran-dRajoelina. Asa na ho tonga amin’ny tsotsori-mamba ihany na hotazonina Atoa Ntsay Christian. Ireo minisitra kosa dia mety ho maromaro no hangoron’entana na alefa amina andraikitra hafa. Minisitra vehivavy iray no re siosio fa hailika an-kolaka hatao masoivoho any Frantsa, saingy tsy manaiky, hatreto aloha. Misy vehivavy tandapa iray ihany koa anefa re fa mitsiriritra ilay toerana fa tsy mety mahazo. Misy endrika ady seza na fifampialonana izany ao ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT