Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Nanome lesona ny mpanohitra


  • Talata 10 Martsa 2020

Tany tan-dalàna sy manaja ny demokrasia i Madagasikara ka mila manaja izany ny mpanao politika rehetra na olon-tsotra na andrimpanjakana maro samihafa.

 

Niara-nahita tamin`ireny fifidianana natao ireny ny safidy nataon`ny vahoaka ka tonga amin`izao fitondrana izao, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian. Isika dia firenena mametraka ny fanjakana tsara tantana ary mifototra amin`ny andry roa lehibe dia ny demokrasia sy fanajana lalàna. Takiana izany na amin`ny mpitondra na amin`ny mpanohitra, hoy ihany izy. Ny tompon’andraikitra rehetra dia manana adidy sy zo. Fitakiana fotsiny ny hoe firenena tsara tantana izany na fanajana lalàna amin`ny mpitondra fa miainga amin`ny toromariky ny filoham-pirenena dia ny fampisehoana ny fanendrena amin`ny fitantanana asam-panjakana, hoy hatrany ny lehiben`ny governmanta. Nanantitantitra ny mpanohitra i Ntsay Christian fa manana adidy amin`izany koa satria takiana aminy koa ny fanajana lalàna ary ny fanekena fa ny demokrasia dia fahafahan`ny rehetra miteny, fahafahan`ny olom-bitsy miteny. Tsy tokony hiteraka savorovro ny fanohizana ny fampandrosoana ny firenena ny fandehanan-draharaha misy amin`izao, hoy hatrany ny praiminisitra, omaly.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT