Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Nakisaka an-tsisy tosy sa tsy te haloto ?


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Zara raha hita ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian tato anatin’ny raharaha Coronavirus. Takona tanteraka ary tsy dia misy fampitam-baovao firy momba azy sy izay ataony, raha toa ka saika isan’andro no

hahenoana ny Filoha sy ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Governemanta. Ilay lalàna 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 momba ny hamehana anefa, dia manome vahana sy baiko ho an’ny Praiminisitra amin’ny fampiharana ny fepetra ao anatin’izay hamehana izay. Efa maro ny fanehoan-kevitra politika maneho fa tsy mirindra ny fomba fiasa ao anatin’ny governemanta, ary misy lonilony ao. Nakisaka haka sisin-tosy ve ny Praiminisitra mba hahafahan’ny Filoha tena manao serasera ho an’ny tenany? Misy ny zavatra tsy mazava sy tsy mangaraharaha, araka ny fanehoan-kevitra maro hatrany, toy ny fitantanana ara-bola amin’ity raharaha coronavirus ity. Petra-kevitra sy fanontaniana ihany koa noho izany ny hoe: tsy te haloto ao anatin’izay raharaha izay ve ny Praiminisitra izay olona hentitra amin’ny maha fonksionera iraisam-pirenena azy teo aloha ka aleony manaja tena ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT