Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Mitandrina mafy, tsy te hidi-bingo…


  • Talata 05 Mey 2020

Manana fahefana sy iraka lehibe ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ao anatin’ny Vanim-potoana manokana faritan’ny lalàna 91-011 sy ny hamehana lalovan’ny firenena.

 

 

 

Nomena ny fahefana hanampihantra ireo fepetra maro samihafa. Ny hita sy tsapa anefa dia somary mangina sy tsy handrenesam-peo firy hatramin’ny niantombohan’ny krizy. Tsy hoe tsy hampitenenina fa tsy mazoto hiteny rehefa halalinina. Fantatra tsara ny toerana nisy azy teo aloha tamin’ny maha Tale Jeneralin’ny OIT na Sampana iraisam-pirenena momba ny asa taty amin'ny ranomasimbe Indianina, fonksionera iraisam-pirenena. Mazava ho azy fa mitandrina sy tsy te hanimba tena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria tsy ho mandrakizay no ho praiminisitra. Teknisianina kokoa ny Praiminisitra ary mahalala tsara ny atao hoe fenitra sy fitsipika ary lamina iraisam-pirenena ifanekena. Tsy te haloto ary mahalala tsara ny mety ho zava-miafina, ka tsy hidi-bingo. Mifangaro tanteraka rahateo ny politika sy ny fahasalamana eto. Misy karazana kopisoroka sy teti-panorona tena mampiahiahy satria maro ny zavatra tsy mangaraharaha. Toa adino tanteraka toekarena sy ny sosialy ka asa izay hiseho rehefa tafaverina amin’ny fiainana andavanandro. Izao mantsy aloha mbola fehezina ny zava-drehetra, manana fahefana tsy refesi-mandidy ny fanjakana, fa any aoriana mety ho vaky am-batolampy avokoa ny nafenina.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT