Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Misy tetika hanesorana azy ...


  • Alarobia 20 Mey 2020

Mamofompofana fanalana ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny toerany hiainga avy etsy amin’ny Antenimieram-pirenena indray ny toe-draharaham-pirenena.

 

 

 Nanomboka ny zoma lasa teo dia nisy resaka avo lenta re, fa nangataka fametraham-pialana ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy nolavina ny fangatahany. Nisy fivoriana avo lenta tany an-dapa tany ny faran’ny herinandro teo mahakasika an’io, raha ny feo re nivoaka avy any. Andrasana anefa izay zavatra hiseho ato ho ato amin’ny mety ho fahamarinana na fahadisoan’io satria tena zavatra avo lenta sy saropady ity. Ny fifanolanana tamin’ny IPM no raharaha lehibe nidiran’ny Praiminisitra an-tsehatra fa ny ankoatr’izay toa nisafidy ny nangina sy tsy niteny firy. Ny famaliana ny tsy fahafaham-pon’ny fanjakana tamin’ny fanazavan’ny IPM aza, dia tsy izy no nanasonia azy fa ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo. Raha tena mitombina io fanalana ny Praiminisitra hiainga eny amin’ny Antenimiera io, dia mety efa paipaika sisa satria mety tsy te hanala mivantana sy hanaiky ny fialany ny Filoham-pirenena kanefa izy tsy te hijanona, ka io “motion de censure” io no làlana mifanaraka kokoa amin’ny lalàmpanorenana. Na izany aza dia maro amin’ny mpikamban’ny fahefana mpanao lalàna no manakihana ity Lehiben’ny fahefana mpanatanteraka sy fitantanan-draharaham-panjakana ity ho tsy mahafehy sy tsy mahabaiko ny rantsam-pahefana samihafa. Tsy ho tongatonga ho azy ihany koa anefa raha tena ho raikitra tokoa fa mety hisy ifandraisany amin’ny toe-draharaha ara-diplomatika mafana mahakasika an’i Madagasikara sy ny sehatra iraisam-pirenena na firenen-dehibe tato ho ato. Tsy takona hafenina rahateo ny maha olon’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian. Hanaratsy endrika ny fitondrana anefa raha amin’izao no hisiana fialana na fanonganana Praiminisitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT