Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,
solontena maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara. Hisy ny rindran-teny horaiketina an-tsoratra, hiomanana amin’ny mety hahazoana famatsiana ho an’ireo tetikasa voakasiky ny andiany faharoa. Nohamafisin’ny Praiminisitra fa nanomboka ny taona 2016 ary hatramin’ity taona 2019 ity dia efa nisitraka io famatsiana io, izay mitenina 11.5 tapitrisa dolara Amerikanina isika eto Madagasikara. Ankoatra io, dia nitsidika tamim-pomba fifanajana azy ihany koa ny delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, notarihin-dRtoa Coralie Gevers, Tale miandraikitra an’i Madagasikara. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny fifanakalozana, ka isan’izany ny fijerena ireo paika afaka hanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitondram-panjakana. Nohararaotin’i Coralie Gevers izany nampahafantarany ny Praiminisitra ny ho mpandimby azy, noho ny fahavitan’ny fe-potoam-piasany nandritra ny 5 taona, ka handray ny asany Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira ny volana septambra ho avy izao, ary dia hanohy ny fifanakalozana sy ny fandaminan’asa iarahan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny mpitondra Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.