Ny Andininy faha-101 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa anjaran’ny governemanta no manao tatitra ny asa vitany eto anatrehanareo solombavambahoaka
“isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany” anolorana ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharan’asany. Momba ny lafiny Fitantanana dia nanambara ny ezaka nataon` ny governemanta fa tsy tokony ekena intsony ny “tsy maty manota” ny praiminisitra Ntsay Christian. Ny fandrindrana ny asam-panjakana rehetra dia natao tao anatin’ny mangaraharaha amin’ny alalan’ny fametrahana sy fanaraha-maso ny fampiasana ny fototra tsy miova na “standards de service” eo anivon’ny sampandraharahan’ny asam-panjakana rehetra. Hamafisina koa ny fanaraha-maso ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana manerana ny nosy amin’ny alalan’ny fametrahana sy fampiarana ny “mercuriale des prix” ary indrindra ny fitsirihana ny kalitao ny asa vita rehetra. Eo amin’ny fitsijaram-pahefana sy ny fampandraisina andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra dia natomboka tamin’ny volana jolay 2019 ny fanomanana lalàna tena mirakitra ireo fenitra momba izany.Natomboka ny fanendrena ireo Governora any amin’ny faritra 13 eto amintsika. Amin’ity taona 2020 ity, ankoatra ny vola mitentina 2 miliara ariary isaky ny faritra hatolotry ny fitondram-panjakana ho fanatanterahana foto-drafitr’asa mifandraika amin’ireo filàna eny ifotony toy ny làlana, dia ho vatsiana fitaovana enti-manamboatra làlana koa izy. Notsinjaraina ho efatra lehibe moa ny tatitra natao teny amin` ny CC Ivato omaly ka tafiditra tao anatin` izany ihany koa ny Filaminana sy Fandriamampahalemana, ny lafin’ny Toe-karena sy ny fotodrafitrasam-pamokarana ary ny lafiny Sosialy.
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.