Politique

Praiminisitra Nampitandrina mafy ny mpanohitra


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Nivory tontolo andro ny OMC National (Organe Mixte de conception National) omaly 26 febroary 2021,

 

 

 

notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa Ntsay Christian sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana, nampianareo minisitra misahana ireo minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena. Midika io, fa mafampana ny toe-draharaham-pirenena, ny politika, ny sosialy,… ka ireo rahateo no nanompanana ny resaka. Tsisy antony intsony hisian’ny fihantsiana na ady politika apetraka eto amin’ny firenena satria efa tanteraka ny fanajana ny maha ny tany tan-dalàna sy ny fanajana ny fifandimbiasam-pahefana tamin’ny fahavitan’ny fifidianana, hoy Atoa Ntsay Christian. Tokony hisy ny fitoniana, vao nivoaka tamina ady lehibe mikasika ny covid-19, mbola misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Nambara fa manana andraikitra ny tompon’andraikitra rehetra, indrindra ny mpanao politika, fa manana zo hiaina anaty fitoniana ny vahoaka. Nanitrikitrika ity Praiminisitra ity, fa ny sehatry ny lalao poltika maloto amin’ny alalan’ny fihantsiana, fa indrindra sanatrin’ny vava aladin’ny lela mitetika hanozongozona ny fiandrianam-pirenena, ny filaminana, mba hisian’ny korontana maro isan-karazana dia tsy ekena. Nampitandrina amin’ny mba tsy hisian’ny fambolena korontana sy ny trangan-javatra mampalahelo, toy ny fanakorontanana sy adim-poko, izay nambara fa tsy azo ekena. Mandray andraikitra ny Emmo-National raha izay tokoa no tian’ny sasany hahatongavana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay heverina fa miantefa amin’ny mpanohitra. Efa tonga amina toe-draharaha tena mafana isika matoa tonga amina fanetsehana Emmo National tahaka izao. Miha mahery vaika ny fifampitsikerana, ary efa mandrangaranga hery ny Fanjakana, fa izay mianankendry eo, dia mety ho avy izy amin’ny angady sy harona. Manomboka tsy zakan’ny Fanjakana ankehitriny ny tsikera samihafa, kanefa ny Fanjakana sady tsy mahavaha olana no malaza ratsy.

 

Toky R



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT