Anarana miverimberina eny anivon’ny sehatra samihafa eny tato anatin’ny andro vitsy izao fa isan’ireo olona mety hotendren’ny filoha ho praiminisitra i Imbiky Anaclet.
Misy hatrany ny fivoriana tanterahan’ny teknisiana eo anivon’ny asam-panjakana sy avy amin’ny sehatra tsy miankina mandresy lahatra ny namany sy mifandresy lahatra ny tokony hanohanana ity mpitsara manana grady voalohany sady efa minisitry ny fitsarana teo aloha ity. Sady teknisiana ny tenany no manana ny fahaizamanao koa, hoy ireo mpanohana azy. Azo lazaina ho tsara toerana mihitsy aza i Imbiky Anaclet izay tsara fifandraisana amin’ny filoha teo aloha sy mpitondra nifandimby. Tamin’ny andron’ny Amiraly no naha minisitra azy; izy koa no nandrafitra ny lalampanorenana Federalista ankamamian’ny profesora. Isan’ny mpanolotsainan’ny praiminisitra amperinasa Beriziky Jean Omer koa ny tenany. Heverina fa tombony ho azy kosa ny fananany fahalalana ny faritra samihafa eto Madagasikara. Filohan’ny fikambanana Malagasy Miara Mandroso Aron’ny Demokrasia rahateo koa Imbiky Anaclet. An’ny filoham-pirenena samirery anefa ny fanapahana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.