Politique

Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpitondra”


  • Talata 26 Jolay 2022

Tsy tokony hanaovana ronono an-tavy ny vahoaka fa mahalala tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Mahalala tsara ny vola miditra any am-paosiny sy ny ngidin’ny fiainana hatrehiny ny

vahoaka Malagasy, hoy izy. Mahatsapa izahay fa ilaina ny fanetren-tena, indrindra, fa raha mpitondra tena mihevitra ny tenany ho raiamandreny sy tena tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity. Tokony hahalala hametraka fifonana na fara-faharatsiny fialan-tsiny amin’ny vahoaka hoe tena tsy tratrako ny fampanantenako ka noho izany tokony hahalala izay fahendrena izay. Betsaka ny mpitondra any ivelany rehefa hitany fa tsy tafavoaka dia ny sasany mametra-pialana, ny sasany manaja tena. Ahiana dia ahiana ny mety hisiana savorovoro satria raha toa ka manao ny azony atao hanozongozonana ny fitondrana mijoro ny mpanohitra izay mahatsapa fa mivilana amin’ny tsy izy ny lalan-kizorana eo amin’ny fanatanterahana ny antsoina hoe fampandrosoana ny firenena dia hitantsika fa mety manontany tena ny tsirairay hoe tsara toerana ve ny mpanohitra? Tsy efa teo ihany ve ireo taloha? Tokony hifanome tanana ny hery miaina rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena na ny mpanohitra na ny ao anaty fitondrana hiray hina hanavotra ny firenena. Manahy izahay fa raha mitohy izao tsy fandriampahalemana, fahoriam-bahoaka, ny zavatra tsy fahita masoandro miseho lany etsy sy eroa izao fa hisy ny krizy lalina eto amin’ny tany sy ny firenena satria hitantsika fa toa ohatran’ny miverina ankehitriny ny tantara nahatonga fihetseham-bahoaka. Tokony hitandrina amin’ny fihetsika sy fepetra ary fandraisana andraikitra ataony, noho izany, ny mpitondra ho tombontsoam-pirenena. Miantso ireo olona tsara sitrapo rehetra mba hijery izay mahasoa ny tanindrazana iombonana. Miantso ireo olon’ny finoana hivavaka ho an’ity firenena ity sao mba mety hihaino ihany lahy izao Andriamanitra ao ambony ao izao ka hiaro antsika amin’ny mety ho fisiana zavatra hafahafa eto amin’ny tany sy ny firenena. Nadikan’ny SECES manerana ny nosy fa famotehana ny oniversitem-panjakana ny fihetsika tsy mandray andraikitra ataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Naleonay noho izany nangiana kanefa izany tsy midika fa afa-po ny SECES amin’ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mahita izahay fa diso fanantenana tanteraka ny amin’izay fihetsiketsehana sy seho ivelany ataon’ireo mpitondra saika isan’ambaratongany. Miezaka manatanteraka ny adidiny amin’ny fampianarana ny SECES ary miandry ny fanatanterahana ireo teboka miisa 7 anaty fitakiany, hoy hatrany ity filohan’ny SECES Antananarivo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT