Politique

Pr René Rasolofo “Kilalaon-teny no betsaka eto fa tsy asa”


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Mibahan-toerana eto loatra ny kilalaon-teny mampitsiry fanantenana kanefa midoboka avy hatrany,

 

 


hoy ny mpanao politika sady filozofa, Pr René Rasolofo. Isaky ny mandalo nefa ny krizy lavareny dia samy manao tombana ny mpandinika rehetra. Na ny FFKM aza nanamarika hoe latsaka an-katerena tanteraka ny firenena Malagasy. Naparitaka tany amin’ny repoblika voalohany fa ny famahoana no fototry ny fampandrosoana. Naparitaka ny sekoly sy ny zava-drehetra ilaina hanatona ny vahoaka. Izay moa ilay hoe “décentralisation”. Hita ohatry ny tsy dia nahomby dia novaina hoe “décentralisation effective” avy eo na hoe tena izy. Nidoboka koa io avy eo. Nanomboka nahazo vahana taty aoriana ny hoe na asan’ny kaominina na faritany na firenena dia tokony hiompana amin’ny ady amin’ny fahantrana. Matoa izay nisongadina tamin’ny repoblika faharoa sy faramparan’ny fahatelo dia midika fa tsy nahomby ny tetika tany alohan’izay rehetra. Nisesisesy ny salan’isa. Ny 75 niakatra 80 sy 85% ka na ny mpamatsy vola aza niteny mihitsy hoe efa mahatratra 92 dia avy eo 95% ny taham-pahantrana ary na ny mpianatra aza tratrin’ny akony. Voalaza fa 97%n’ny mpianatra Malagasy dia azo lazaina ho tsy mahatratra ny fari-pianarana tokony ho azony. Ny voalaza tao amin’ny DCPE na “document cadre de politique économique” anefa dia hoe “éradication” na famongorana hatramin’ny fakany ny fahantrana. Niova indray tsy ela akory taorian’io ny kilalaonteny dia hoe atao izay hampihena ny fahantrana. Lasa DSRP na “document stratégique de réduction de la pauvreté” ilay izy. Izany hoe tsy ho resy na oviana ny fahantrana no dikan’izay. Taorian’izay dia lasa hoe ahoana no atao hampihena ny fiantraikan’ilay fahantrana na “atténuation” indray. Ankehitriny moa, hoy hatrany izy, misy ny IEM, ny PEM, ny PGE, ny velirano.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT