Politique

Pr Raymond Ranjeva Noraisin’ny SADC ihany koa


  • Talata 30 Novambra 2010


Nanomboka omaly alatsinainy 29 novambra ny fihaonan’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao ireo mpanao politika sy ireo herivelona politika eto Madagasikara, nihainoana ny fahitan’izy ireo avy ny fivoaran’ny raharaham-pirenena taorian’ny nandalovan’ny iraka farany ny faramparan’ny volana aogositra 2010, ary koa nandraisana ny soso-kevitr’izy ireny amin’izay mety hamahana tanteraka ny krizy efa naharitra roapolo volana izao. Anisan’ireo noraisin’ity iraka ity ny Pr Raymond Ranjeva omaly. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy. Ny Pr Raymond Ranjeva izay efa nandroso ny drafitra “Vonjy Aina” hamonjena an’i Madagasikara amin’izao zavatra manjo azy izao. Tolo-kevitra izay hafahafa ny fandraisan’ny mpitondra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy, ka nitaritarihana an’ity mpitsara iraisam-pirenena sady olomangan’i Madagasikara ity, eny amin’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao, ary tsy ahafahany mivoaka ny tanindrazana ihany koa. Fa ankoatra izay dia miasa mangina, lavitry ny “micro” sy “camera” eny amin’ny tranon’ny Firenena Mikambana Andraharo ny iraky ny SADC. Teny izy ireo rah any omaly no mandray misesy ireo mpanao politika sy vondrona politika, nihainoany ny fahitan’izy ireo avy ny raharaham-pirenena, ahafahany manao tombana ny zava-misy eto Madagasikara.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT