Politique

Pr Raymond Ranjeva Mankeny Ankadilalana isan’andro ?


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


Afaka nody ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany taorian’ny famotorana azy ireo ny talata teo. Araka ny loharanom-baovao kosa anefa dia nahazo toromarika izy ireo ny amin’ny tsy maintsy handalovany eny amin’ny biraon’ny zandary raha misy ilana azy na ho isan’andro aza. Sao misy fiovan-javatra amin’ny famotorana no voalaza fa anton’izany. Ny loharanom-baovao anefa no milaza fa taorian’ny zava-nisy tamin’ny sabotsy 20 novambra dia nampahafantatra izany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpitsara iraisam-pirenena teo aloha ity. Nampahery azy ny sehatra iraisam-pirenena na ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara ankoatra an’i Frantsa na ireo mpitsara iraisam-pirenena namany ary nampanantena izy ireo fa hanaraka akaiky ny fizotr’ity raharaha teny amin’ny BANI ity. Manoloana izany rehetra izany dia sahirana ihany ny zandary manao ny famotorana. Sahirana satria manindry mafy ny FAT nefa ny asa tokony hatao araka ny tokony ho izy. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT