Politique

Pr Raymond Ranjeva “Hasarotina ny raharaham-pirenena”


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Mifono hasina miisa 5 ny heverina fa lalan-kivoahana ary hiverenan’ny hasin’ny fiandrianam-pirenena eto Madagasikara dia ny tsara, marina,

 

 

 

 fihantahantana sy fifanakalozana ary fifanajana, hoy ny filohan’ny akademia Malagasy, ny Pr Raymond Ranjeva. Ireo dia noheverina fa iraisan’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny andriana irery. Handroso ny firenena rehefa mino ireo ny olona. Tanjona ny hamerenana sy hanandratana an’I Madagasikara ho firenen-dehibe. Izay no nilofosan’ireo razan’ny andriamanjaka rehetra nifandimby teto amin’ity firenena ity. Ny manahirana dia resaka tetiharana fotsiny no resahin’ny olona rehefa miresaka andriana amin’izao fotoana izao. Tanindrazana izay mifantoka amin’ny fisian’ny mpanjaka teto Madagasikara anefa no resaka eto. Eo koa ireo fitondram-panjakana neken’izao tontolo izao ho eto. Rehefa tonga ny mpanjanatany dia notapahana tarangana izay satroka ialofan’ny fiandrianana sy fanjakana Malagasy izay dia nihiboka ny olona. Hasarotina ny raharaham-pirenena ankehitriny fa raha apetraka amin’ny tena resaka politika io fa tsy resaka adin’akoho lahy na fifandirana mpanao politika dia ho hita ny ala olana. Ny manahirana dia tsy ny fifanakalozan-kevitry ny mpanao politika tsy maintsy miady ny hahazoana fitondrana no aretina mahazo ny firenena fa mbola lalim-paka satria ny aty fo sy fanahin’ny Malagasy mihitsy no voadona, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT