Rehefa noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy, hoy ny filohan’ny firaisankinan’ireo mpanolontsain’ny tetezamita teo aloha na ACS, ny Pr Ralison Roger.
Ny sosialim-bahoaka no mila karakarain'ny fanjakana aloha fa tsy maika hanorina fotodrafitrasa izay marina fa miteraka asa, saingy asa mandra-pitsangany fotsiny. Ao anatin'ny sehatra fahatelo na "Sehatra fisitrahana" ny fotodrafitrasa, fa ny sehatra voalohany dia ny fambolena sy fiompiana ary fitrandrahana, sy ny sehatra faharoa dia fanodinana vokatra, no miteraka asa sy mampahazo aina ny toekarena.Tsara ny manana vinan’asa fa ataovy mifanaraka amin'ny zavamisy iainana, hoy hatrany ny tenany. Nilaza moa ny ACS fa fotoana izao tokony hamarotana ireo ambina andramena nogiazana tamin’ny tetezamita mba hahafahana manangana banky malagasy ho an’ny fampandrosoana fa eo koa ny tokony hijerena izay fomba hamerenana indray ireo orinasa malagasy hita ho nitera-bokantsoa ho an’ny toekarem-pirenena toy ny SECREN sy ny Solika malagasy na SOLIMA.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.