Nisy fanonganam-panjakana niseho tany Mali izay nanasamborana an` ny filoham-pirenena Ibrahim Boubacar Keita (IBK) sy ny praiminsitra ary ny mpikambana eo anivon` ny governemanta any an-toerana ny talata lasa teo.
Mitranga amin` ny firenena maro ny fanonganam-panjakana ary mety hiitatra izany amin` izao fotoana izao rehefa very ny tombotsoan` ny firenena lehibe iray, hoy ny Pr Radanoara Julien, mpampianatra fifandraisana iraisam-pirenena. “Matoa misy ny fanonganam-panjakana aty Afrika dia misy firenena lehibe iray ao ambadika. Rehefa tsy mahatana ny tombon-tsoany ilay fitondrana ao an-toerana dia ataony izay mahaleo azy eo. Iaraha mahalala fa misy firenena iray manana “base militaire” any Mali, any Centre-Afrique.” Matetika ny tafika no manao izany fanonganam-panjakana izany satria hita hatrany fa rehefa manome fanampiana ireo firenen-dehibe ireo dia ny tafika no misitraka izany. Fomba iray ihany koa hahafahany mambabo ny tafika dia ny fanolorana marim-pankasirahana ho an` ireo manamboninahitra afrikanina. “Ny Legion d`honneur dia mari-boninahitra ambony. Na ianao mpiaro ny tombontsoa frantsay na olona atokisany rehefa misy ilàny azy. Ny fanonganam-panjakana dia ny miaramila no manohana izany ary ankavitsiana ny hoe ny vahoaka no manongana aty Afrika”, hoy hatrany ny Pr Radanoara Julien.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.