Nivoaka tamin’ny fahanginany tamina fandaharan’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly ny Praiminisitra teo aloha Atoa Mangalaza Eugène.
Voatendry ho Praiminisitra ny 10 aogositra 2009 rehefa nandeha ny diniky ny ankolafy efatra. Ny 18 desambra 2009 dia namoaka didy hitsivolana nanalana azy ny Filoha Rajoelina, ka Rtoa Manorohanta Cécile no Praiminisitra vonjimaika tamin’izany. Tamin’ny taona 2013 dia notendren’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho Talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Jean Louis Robinson, izay notohanan’ny TIM,…. Ankihitriny kosa dia mpikambana ao anatin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM. Nalana tsy ho Praiminisitra fa tsy mba niteny, tsy niady ary tsy ary nisy gidragidra teo aminay sy ny Filoha Rajoelina, hoy izy. Gidragidran’izy 4 izay tsy nifankahazo tamin’ny fitsinjaran-toerana no tsy nahafahana nanangana ny governemanta. Nambarany anefa fa betsaka ny miaramila nanao hetsika, ny avy any amin’ny RFI ho eny Mahazoarivo. Tsy mendrika an’izany ny Lapan’i Mahazoarivo, tsy nanaiky ny fandatsahan-drà aho, ka naleoko niala, hoy izy. Momba ny tontolo politika dia nambarany, fa betsaka ny te hanao politika, saingy betsaka anefa no tsy mahay politika. Nisy ny “désobéissance civile” tamin’ny krizy teto, izany no nampianarina teto. Fantatrao izao fa tanim-panjakana no hidiranao, fantatrao tsara fa ben’ny tanàna manana ny hajany,… Ny filohan’ny Repoblika teo aloha dia hatramin’ny akanjon’ny vadiny tsikeraina,… tsy mety izany. Very hasina isika, tsisy fifanajana intsony isika, hoy ny Pr Mangalaza. Mikasika ny fanapahan-kevitra momba ny fahamehana, dia naka risika ny fanjakana, ka aza gaga isika raha miverina izy io, hoy izy.
RAHARAHA MAPUTO I
Ny Maputo I, dia resaka fikarakarana ny fananan’ny Filoha Ravalomanana, izay tsy tanteraka, ary izao izy izao no miteny hoe: ahoana ny momba ahy, izay nataony am-panajana. Izay no voalazan’ny lalàna, ka nangataka tamin’ny CFM izy, ary noraisinay satria nanara-dalàna, fa ny valiny no mbola tsy hay, hoy ity Mpikamban’ny CFM ity. Mbola mitohy etsy ankilany ny fifanolanana momba ny orinasa Tiko, izay mbola ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Ravalomanana no endrika hita. Mino anefa ny Pr Mangalaza, fa mbola hihavana ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.