Miova daholo ny zava-drehetra maneran-tany ankehitriny, raha ny fahitan’ny mpandinika fifandraisana iraisampirenena, ny Pr Julien Radanoara, azy. Na ny fanatontoloana koa aza voa kely.
Ny “multilateralisme” lasa “liberalisme”. Na ny fifanankalozana amin’ilay antsoina hoe “libre echange” aza tsy misy intsony fa samy miditra amin’ny atao hoe “protectionisme” ny rehetra. Samy manao izay hahavelona azy ny rehetra ary samy ho tia tena amin’izay satria mbola hihamafy ny krizy. Ireo firenena noheverina ho tsy ahoan-tsy ahoana mety hisongadina. Isika izao raha manohy io fahitana tambavy io, ohatra, dia mety ho isan’izany, hoy hatrany ny fanazavany. Samy miaro ny tenany, izany hoe, miezaka mamoitra izay zava-misy ao aminy ny firenena tsirairay. Fetsy ny amerikanina satria raha dinihina dia ireo mainty hoditra no ankamaroan’ireo maty ao aminy. Izany hoe mamely ny fifindra-monina ny filoha Donald Trump. Mamely ny mainty. Ireo no tena mpifidy demokraty. Ny sinoa indray mampiasa ny atao hoe “expansionnisme”, izany hoe, fanitarany ny mponina maneran-tany hakana ilay toeran’ny lohalaharana eto an-tany. Tokony hararaotin’ny afrikanina izao satria nalaza hatramin’izay ny politikan’ny taona 70 sy ny 80 hoe raha te hijanona ela eo amin’ny fitondrana ianao dia ireto 3 ireto no atao. Habadoy ny mponina. Hampahantrao! Foano ny farim-piainana antonony na “classe moyenne”, izany hoe ny tia karokaroka. Tsy nampiasaina mihitsy ny tia karokaroka sy manam-pahaizana, natao kely karama, natao aza izay handehanany any ivelany satria hoe manelingelina. Amin’izao fotoana izao izany raha tian’ny afrikanina ny hampanankarena sy tsy ampahantra ny firenena dia mila hainy ny manome toerana sy mampiasa ireny manam-pahaizana sy tia karokaroka ireny, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.