Lany tao amin’ny antenimierandoholona iny ny tolo-dalàna momba ireo nosy Malagasy,
hoy ny Pr James Ratsima, izay isan’ireo mpanao politika mitolona ho amin’ny hamerenana ireto nosy ireto. Hiampita any amin’ny governemanta sy antenimieram-pirenena izany ankehitriny. Mbola hisy teratany Malagasy sahy hijoro ve hoe tsy antsika ireo nosy ireo? Hisy mpitondra fanjakana sy mpikamban’ny antenimieram-pirenena koa ve tsy sahy handany an’ireo? Mino aho fa raha mbola Malagasy mahatsiaro tena manana ra Malagasy dia hiaro io tolo-dalana nataonay io. Fantatray fa be ny manenjika ary na ny fitondram-panjakantsika izay mbola misy azon’ny sasany rebirebena aza dia mba hitodi-doha amin’ity indray mandeha ity hiray hina amin’io tolona ataonay io. Tsy ho entinay mody akory ireo tany ireo fa ho an’ny taranaka Malagasy. Mangataka ny fanjakana Malagasy handany faran’izay haingana ireo tolo-dalàna ireo. Mbola hisy koa ny tolo-dalàna mikasika ny “zone exclusive économique” na faritra ara-toekarena ahazoantsika hiteny hoe moron-dranomasina Malagasy sy riaka Malagasy toy ny an-drizareo Maorisianina hoe “Sea of Mauritius”nefa firenena kely io. Lasan’olona fotsiny ny harenantsika ao an-dranomasina sy an-kibon’ny tany ary hatrety ambonin’ny tany, hoy hatrany ny fanazany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.