Politique

Pr Ange Andrianarisoa Ireo filohan’ny ankolafy 4 no tompon’ny teny farany


  • Talata 11 Janoary 2011

Ho an’ny ankolafy Ratsiraka, izay tsy mbola fantatra mazava na hiditra na tsia ao anatin’ny rafitra tetezamita dia fanombohana ny fikarohana ny marimaritra iraisana eo amin’ireo vondrona sy ankolafy politika ihany no mitranga amin’izao fotoana, hoy ny profesora Ange Andrianarisoa.

Matoa miresaka sy miady hevitra mikaroka marimaritra iraisana dia tsy mitovy izay ny foto-kevitra ijoroana, hoy izy, ary tsy mora ny fifandresen-dahatra amin’izany. Ny fahitana ny marimaritra iraisana amin’ny alalan’ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana ihany no tena vahaolana hivoahana amin’ny krizy raha araka ny hevitr’ity ankolafy ity, ary mandeha miandalana izany fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy manome tsiny ireo ankolafy mifampidinika etsy sy eroa anefa izahay, hoy ny Pr Ange Andrianarisoa satria tsy maintsy jerena avokoa ny lalana rehetra hahafahana mivoaka amin’ny krizy.

Nohamafisiny anefa, fa na inona na inona hiresahana sy tapaka eo, dia tsy maintsy miafara amin’ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra ihany ny zava-drehetra ka izy ireo no hamaritra sy hanaiky ary hanao sonia ny tena fifanarahana vaovao ho amin’ny fandaminana ny krizy sy ny savorovoro rehetra. Hatreto aloha dia hita ho tsy tena mazoto amin’ny hidirana ao anatin’ny rafitra tetezamita misy amin’izao fotoana ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert, ary tsy mbola nanao fanambarana ofisialy tahaka ny nataon’ny ankolafy Ravalomanana sy ny TIM ny amin’ny fahavononana hiditra ao anatin’ny tetezamita. Ho an’ny ankolafy Ratsiraka manokana dia azo antoka fa tsy maintsy hiandry izay mety ho fiverenan’ny amiraly eto Madagasikara ny fanapahan-kevitra rehetra ny amin’ny mety ho tohin’ny paikady politika hatrehana. Ny amiraly rahateo efa nilaza fa manana tolo-kevitra roa na telo hivoahana amin’izao krizy izao.

Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT