Politique

Pr Alain Tehindrazanarivelo Praiministry ny marimaritra iraisana ?


  • Zoma 17 Desambra 2010

Miha mazava ihany ny resaka amin’izao fotoana fa mety tsy hotazonina amin’ny toerany intsony ny praiministra Camille Vital satria tsy mahafeno ny fepetra amin’ilay hoe praiministry ny marimaritra iraisana, satria sady miaramila ny tenany no hita fa mitanila tanteraka any amin’ny ankolafy Rajoelina.

Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika dia mahita amin’izao fotoana fa mety kokoa amin’io toerana io, raha ny fandinihana ireo mpanao politika hita isan’andro ny Profesora Alain Tehindrazanarivelo, efa praiministra lefitra nisahana ny fahasalamana tao anatin’ny governemantan’i Monja Roindefo ary mitarika kosa ny antoko ENINA no sady mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST amin’izao fotoana. Hita amin’ny fomba fiasany sy ny fomba fiteniny fa olon’ny fifampiresahana sy ny fampihavanana izy ary tsy dia manana fiandaniana be loatra amin’izatsy na izaroa izy no sady mety ho noho izay antony izay rahateo no nahavoafidy azy hitarika ny vaomieran’ny fampihavanana sy ny famotsoran-keloka ao amin’ny CST, ary anisan’ireo tafiditra ao anatin’ireo delegasionina nisolotena ny Kongresin’ny tetezamita na CT sy ny CST ka nihaona tamin’ny Dr Leonardo Simao mitarika ny iraka manokan’ny SADC eto amintsika.

Ankoatr’izay dia olom-baovao ihany eo amin’ny sehatry ny politika i Alain Tehindrazanarivelo ary tsy manana tantara maloto na mampiahiahy tahaka ireo mpanao politika hafa. Efa hatramin’ny niforonan’ny ESCOPOL moa no voatonontonona ny anarany amin’ity hoe fanendrena ny praiministry ny marimaritra iraisana ity, ary maro be ireo mpanao politika efa manohana azy nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao. Raha araka ny fantatra moa dia mety ho any amin’ny tapatapaky ny volana jolay any no hitsangana ny governemanta vaovao ka ho hita eo izay ho voatendry praiminisitra.

RTT
Sary : Profesora Alain Tehindrazanarivelo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT