Politikan’ny fisokafana no hampiharin’ny filoham-pirenena vaovao Hery Rajaonarimampianina raha araka ny kabariny teny Mahamasina ny sabotsy 25 janoary lasa teo.
Fisokafana manao ahoana ary hatraiza izany ? Mijanona eo amin’ny fanendrena ny praiminisitra fotsiny ve sa hitatra any amin’ny fandrafetana ny governemanta sy ireo miara-miasa aminy. Fisokafana amin’ny fizarana seza fotsiny ve sa fisokafana amin’ny fomba fiasa sy ny zavatra atao mihitsy ? Anisan’ny andrasana izao, ohatra, ny fanokafana indray ny Kianjan’ny Demokrasia, mety tsy voatery ho eo Ambohijatovo, fa rehefa misy toerana hahafahan’ny olona maneho hevitra an-kalalahana, ao anatin’ny fifanajana dia izay no izy. Tsy atao any an-tany efitra kosa anefa ny toerana omena. Nandà tanteraka ny fanokafana ny Kianjan’ny Demokrasia ny fitondrana tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina na dia izy tenany aza no nitokana ny Kianjan’ny Demokrasia tamin’ny 17 janoary 2009 ary nilokaloka fa malalaka ny fanehoan-kevitra nanomboka teo. Moa ve azo eritreretina ny famoahana ireo gadra politika mbola tavela any am-ponja sy ny famelana malalaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hody eto Madagasikara, singa roa fototry ny fametrahana ny fitoniana eto ireo, ary tsy hoe noforonina fa efa nifanekena tamin’ny alalan’ny tondrozotra.
Manana adidy sy andraikitra hanohy ny fametrahana ny fitoniana sy ny fampihavanana mantsy ny filoha vaovao hitantana ny Repoblika faha-4, fa raha tsy tanteraka izany dia tsy hisy fampandrosoana mirindra ho tanteraka izany eto. Manampahaizana manokana momba ny toekarena i Hery Rajaonarimampianina. Nilaza fa tsy hanao hazalambo ny teo aloha. Azo eritreretina ve izany ny hisokafan’ny orinasa Tiko manerana ny Nosy sy hanomezany asa Malagasy an’aliny ? Hiantso mpiara-miasa vahiny isika, ka nahoana moa raha mba ampiana sy tohanana ny mpandraharaha eto an-toerana izay manana ny maha izy azy ? Tsara homarihana fa anisan’ny orinasa goavana sy maoderina indrindra aty Afrika ny Tiko SA ary efa tena afaka milahatra amin’ny zava-bita any ivelany ny kalitaon’ny entana novokariny. Nipoapoaka ny kabary fa asa izay fampiharana azy marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.