Politique

Politika, toekarena, diplaomasia Telo taona sy tapany tsy mety marin-toerana


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Tao anatin’ny telo taona sy tapany nitondrana firenena, tsy tena afaka nametraka fahamarinan-toerana amin’ny lafiny rehetra ny Fanjakana Rajoelina: politika, toekarena, diplaomasia,…

Tsy marin-toerana hatrany am-piandohana noho ny fifidianana nahiana ho tsy madio. Nekena ho lany filoham-pirenena mba hisorohana ny krizy sy rà mandriaka, saingy tsy manana ilay fahamarinan-toerana ka na ara-dalàna (legal) aza ny maha filoha azy dia toa tsy tafapetraka ny maha filoha amin’ny ara-drariny (légitime). Mihen-danja ny haja amam-boninahiny, na ny ao anaty Fanjakana aza toa misy olon-kafa mandrefy mivantana na ankolaka ny fahefany. Endrika iray mampibaribary ny Fitondrana ny fanovana na fikitihana governemanta efa in-dimy teo. Toa tsy tena mitoetra firy anefa ny fahefany sasany, toy endrika fisiana tahotra tsy tena sahy mikitika ny Praiminisitra. Mandeha ihany koa ny resaka ankehitriny fa misy miketrika fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra indray any ambadika any, miainga eny amin’ny Antenimieram-pirenena, ka heverina ho antony iray nanaovana ilay fikaonan-dohan’ny Vondrona IRD sy ny olon’ny governemanta tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo. Manana ny maro an’isa ao ny antokon’ny Filoha, saingy matetika mitsefotra foana io. Voalaza fa misy andiana depiote efa misabaka, miara-dia amin’ny Praiminisitra sy ny mpandraharaha goavana iray. Misy amin’ny IRD no tsy resy lahatra amin’ity Lehiben’ny governemanta ity, antony mampifoha hatrany ny resaka fitsipaham-pitokisana vao mananontanona ny fivorian’ny parlemanta, saingy tsy mety tanteraka ihany koa anefa hatreto. Etsy andaniny, mandeha ihany koa ny feo amin’ny mety hisian’ny fandrodanana sy fanovana ny birao maharitry ny antenimiera. Endriky ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika ihany koa ireny. Ny resaka toekarena moa, dia ratsy tanteraka ny endrik’ity Fanjakana ity. Mitotongana ambony ambany, midangana ny vidim-piainana, ny laharam-pahamehana mbola rendrarendra sy kisehoseho ivelany,… Mahantra ny vahoaka sy ny firenena kanefa ny vina sy ny programa tsy arakaraka izany, fa ny vahiny indray no miteny hoe: mila mamokatra bebe kokoa ianareo, mila mamboly,… Ny resaka diplamasia moa dia nivoaka niditra toy ny lelon-jaza nihambo ho tsy mila famatsiam-bola sy fitrosoana mahampahantra kanefa any no mandadilady. Milaza ho mahazo fitokisana, kanefa tsy tena mahomby, vola mitsitaitaika,… sasatry ny mandresy lahatra kanefa anaovan’ny olona fomba firesaka sy fampanantenana ara-diplaomatika matetika satria efa voarefiny tanteraka fa tsy araka ny vava be. Toa tsy ambony tsy ambany tahaka lohalik’alika hatrany, hoy ny oha-pitenenana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT