Politique

Politika sy fiainam pirenena Miantso fikaonan doha ny mpanohitra


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Mifanantona sy miray feo amin ny hanatanterahana fikaonandoham pirenena mialohan ny hirosoana amin ny fifidianana ireo vondron kery mpanohitra

. Tafiditra ao anatin’izany ny Vondrona PANORAMA, ny RMDM, ny Antoko TIM, ny HVM,… Nisy ny dinika savaranonando nataon’izy ireo omaly teny amin’ny Foiben-toeran’ny HVM teny Andraharo omaly. Tanjona ao anatin’io ny hisiana dinika sy fanavaozana mikasika ny fifidianana. Niantso ny rehetra na antoko manohana ny fitondrana na ny tsy manohana. “Ny hevitry ny maro no mahataka-danitra. Hatsaraina ny efa teo, ary ampiasaina amin’ny endriny vaovao, manantena ny handraisan’ny rehetra anjara, antenaina hitondra fanavaozana ho an’ny firenena manontolo”, hoy ny Depiote avy amin’ny TIM Mamy Rabenirina. Naneho kosa ny Mpandrindra Nasionalin’ny HCM Atoa Rivo Rakotovao fa ny CENI ve ohatra mbola ilaina ihany?,Adihevitra izany, ary raha ilaina io dia ahoana no ahafahana manara-maso azy, fa tsy misalobo-komana dia ireny ny vokany avy eo? hoy hatrany i Rivo Rakotovao. Notsipihina fa tsy hita ao annatinn’ny tetibolam-panjakana ny fikarakarana fifidianana ka miandry rahoviana? Singa ahitana ireny hoe aiza ny finiavan’ny Fanjakana amin’ity fifidianana, raha ny fanehoan-keviny. Niresaka fohy momba ny fifidianana Filoha Frantsay teto Madagasikara ihany koa ny tenany, ka nilaza fa 36% ny Frantsay an-taratasy sy tena Frantsay eto, manana zom-pirnena roa no tonga nIfidy. Ny Filoha sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo dia mizaka zom-pirenena roa Frantsay-Malagasy ka mety nifidy ho an’ny tombotsoan’i Madagasikara, ny fifandraisana amin’i Lafrantsa sa tombotsoa an’iza no harovany? Hoy izy.
“TENA HAINY NY MANODINA SAIM-BAHOAKA”
Momba ilay “sondage” na tsapan-kevitra fa hoe ho lany 53% ny filoha ankehitriny kosa, nahitsy i Rivo Rakotovao nilaza fa tena ao anatin’ny zavatra hainy ny fitondrana: serasera, fanodinana saim-bahoaka, lasa misy “copie coller” hirahira kely,… Tonga amin’ny fotoana tena hain-dry zalahy mihitsy, izaho mino fa izy no mampanao an’ireny “sondage” ireny, fa izay vokany eo, anjaran’ny mpanohitra kosa ny mifandresy lahatra, hoy i Rivo Rakotovao. Notsiahiviny ireo fampanantenana tsy tanteraka. Ahoana ohatra ny any Analanjirofo any hoe: tena tafiakatra avo telo heny ve ny vidin’ny lavanila? Resahina foana hoe: ny filoham-pirenena manao fa ny manodidina no olana ka izahay angaha no nifidy ny manodidina ny Filoham-pirenena? Hoy hatrany i Rivo Rakotovao tsy nihambahamba.

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT