Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena dia mitana andraikitra goavana amin’ny maha Filohana andrim-panjakana, fa eo ihany koa ny Vondrona MAPAR.
Amin’ny lafiny iray, mety hananana andraikitra lehibe amin’ny fitazonana ny fitoniana ao anaty Fanjakana, saingy iny izy nivoaka tamin’ny fahanginany iny Rtoa Christine Razanamahasoa toa nanampy trotraka ny afo efa mirehitra iny. Fampitandremana ny Filoha ve no tanjony tao anatin’ilay hoe ny tena mibaiko ny fitondrana dia ny fitoniana politika, ary olona tokony mahazaka vahoaka efa nisedra fifidianana no homena sehatra bebe kokoa amin’ny governemanta? Ny tena sary hafahafa miseho ihany koa anefa etsy andaniny, dia ny fahitana an-dRtoa Christine Razanamahasoa tany amin’ny lanonam-be nandraisana ny Filohan’ny Rafitry ny Judo aty Afrika Atoa Siteny Randrianasoloniaiko. Ity farany, izay ekena fa depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD, saingy efa mandeha ny feo sy ny resaka fa mety handeha lavitra kokoa amin’ny politika ary miketriketrika ny ho kandida amin’ny Filoha amin’ny 2023. Maro rahateo ireo “mentor” sy “coach” ara-politika nasehon’i Siteny Randrianasoloniaiko tao Toliara ny 7 jolay lasa teo. Malaza ho akaiky ny Rosiana sy ny Amerikana, ary efa miketriketrika tanjona lavitra kokoa amin’ny politika. Na tsy miteny mivantana an’izany aza, dia izay no sary toa miseho sy hita ankehitriny.
TSY MBOLA NORAISIN’NY FILOHAM-PIRENENA
Reherahan’ny firenena na “fièrté nationale” izany fanananana olona teratany Malagasy lany amina rafitra faratampony aty Afrika amin’ny judo izany, ary mbola filoha lefitra maneran-tany rahateo. Lojika raha noraisin’ny Filoham-pirenena, saingy tsy mbola nisy aloha izany hatreto, raha toa ka nanao izany tamin’ny alalan’ny Pasitera Edouard Tsarahame ny RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana. Raha ny tantara ara-politika teto, dia tsy mbola nanana Filoham-pirenena ny “Grand Sud”, ary mety mandeha ny kajikajy sy famondronan-kery, ary isan’ny olobe any amin’ny ilany Atsimo ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Manomboka ve ny fanaovana fitan-droa ataon’ny olon’ny Fitondrana eo anatrehan’ny safotofoto politika? Ananana ahiahy ve ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.