Politique

Politika Rahoviana vao hisy mpanohitra tena ofisialy ?


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Mbola tsy nisy ny mpanohitra ofisialy raha ny tantaran`i Madagasikara no zohina. Raha tamin`ny andron` ny Repoblika faharoa, nampandany ny lalàmpanorenana vaovao tamin’ny desambra 1975 ny filoha Ratsiraka.

 

 

 Nanjaka ny sosialisma ary tsy dia hita ny mpanohitra. Tsy nekena ny fisian’ ny antoko maro fa politika tokana no napetraka tamin` izany. Nisy ihany ny mpanohitra toy ny MFM fa saingy nomena toerana tao amin’ ny “Conseil supérieur de la Révolution” dia somary nangina avy eo. Tamin` izany andro izany moa raha ny nambaran` ireo mpanao politika zokiny dia raha tsy manaiky izany dia nogadraina mihitsy. Na jerena aza nandritra ny repoblika fahatelo dia tsy nisy ny mpanohitra ofisialy tamin` izany. Antony nampidirana ny lalàn`ny fanoherana anaty lalàmpanorenana tamin` ity repoblika fahaefatra ity. Araka ny voafaritra anaty lalàmpanorenana sy ny lalàna 2011-013 izay mifehy ny satan`ny mpanohitra dia ny antoko mahafeno ny fepetra amin`ny maha mpanohitra azy no hizaka ny zo amin` ny maha filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena azy. Fanamby napetraky ny Filoha Rajoelina hatrany moa ny hoe “izay zavatra tsy vitan` ireo mpitondra nifanesy taorian` ny fahaleovantena dia ho tanterahiko ao anatin` ny dimy taona” koa maninona raha ampiharina fotsiny ny didy momba ity lalàna 2011-013 ity satria ny fametrahana fanoherana no tsy vitan` ireo mpanao politika tao anatin` ireo repoblika nifandimby ireo.Amin` izay ny filoha Rajoelina no nametraka ny fanoherana ara-dalàna voalohany eto Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT