Lavo ny andrarezina ! Nodimadry ny marainan’ny omaly 20 desambra ny Minisitra teo aloha Jean Théodore RANJIVASON.
Iray amin’ireo nanafana ny sehatra politika teto Madagasikara nanomboka ny taona 2000 ny tenany, ary somary nisintaka taorian’ny taona 2010. Olona novolavolain’ny Antoko MONIMA sy ny MFM tamin’ny fotoan’androny, niditra tao anatin’ny TIM tao anatin’ny toe-draharahan’ny 2002 izay nampiakatra an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny Fitondrana. Voatendry ho minisitra imbetsaka tao anatin’ny governemantan’Itompokolahy Jacques Sylla, ka amin’ny maha atleta malaza azy, dia efa nitana ny toerana maha minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora ary ny ala voly. Mpampianatra mpikaroka teny amin’ny anjerimanontolo, ary isan’ny ikoizana amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy Atoa Jean Théodore Ranjivason, ka dia voatendry ho minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ihany koa tamin’ny fotoan’androny, ary nitantana ny Minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy indray taorian’izay. Somary nisintaka tamin’ny TIM tany amin’ny 2006-2007, ary niara-dia tamin’i Andry Rajoelina nandritra ny raharaha 2009 ka lasa mpikambana tao anatin’ny HAT (Haute Autorité de la Transition), avy eo lasa CST (Conseil Supérieur de la Transition). Niverina tanteraka tamin’ny asa fampianarana teny amin’ny anjerimanontolo izy taorian’ny fahataperan’ny tetezamita ny 2013, ary nahalana sisa no tena nahitana azy tamin’ny tontolo politika. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.