Politique

Politika Misedra olana ny HVM


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Adihevitra tato ho ato ny mikasika ny adihevitra politika karakarain’ny Vondrona “Panorama” ahitana ny HVM (Hery Vaovaon’I Madagasikara

) tarihin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Rachidy Mohamed iarahany amin’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) tarihin’Atoa Roland Ratsiraka ny 13 novambra izao etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Tsy ny Mpandrindra Nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao, fa ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko Atoa SG Rachidy Mohamed no mitarika izany sy nasongadina ao anatiny ka teraka ny fanontaniana hoe: mivaky roa angaha ny HVM? Tao anatin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar no nilazan’Atoa Rivo Rakotovao omaly 27 oktobra, fa misy manapotika ny antoko ao anatiny ireo izay matahotra ny hanohitra izao fitondrana izao na koa tsy mahatanty ny foto-kevitra hitondrana ny antoko rehefa lasa aty amin’ny fanoherana. “Tsy mora ny antoko manohitra eto amin’ny fireneba, ary ny ao anatiny aza misy miraviravy tànana, matahotra,… Lasa any amina fanapotehana ao anatiny. Zavatra iaraha-mahalala izany? Inona ny tombotsoa maha HVM afatsy ny foto-kevitra sy ny etika?”, hoy izy. Nanamafy anefa ny tenany fa mijoro amin’ny foto-kevitra efa nitondran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina rehefa teo amin’ny fitantanana izy. Io no ambarany fa nezahina nandresen-dahatra ny vahoaka hoe: jereo ny fomba nitantanany tamin’ny teo, dia jereo ny amin’izao? Misy ao anatin’ny HVM anefa ny tsy mahatanty izany, fa misy tratry ny mena miraviravy, ary azy manokana, hoy ny Mpandrindra Nasilonalin’ny Antoko, izay nanipika fa tsy vao izao no nisehoany fa vao tamin’ny 2019, dia be dia be ny HVM no nanao toy izany, tsy ilaozan’izany mandrak’androany. “Fiainana amin’ny andavanandro izany, ary tsy mahakivy anay. Tsy mora ny toeran’ny fanoherana eto satria betsaka ny horohoro, betsaka ny fanenjehana noho ny hevitra tsy mitovy, eo amin’ny adihevitra politika. Miaina an’izany ny HVM satria misy ny any am-ponja noho ny hevitra tsy mitovy, misy ny tsy maintsy niala teto”, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Manohy, ary manetsika hatrany ny rantsa-mangaika any amin’ny faritra, izay tsy mora ihany koa satria tany Toamasina sy Fenoarivo Antsinanana, ohatra, dia arahina fiaran’ny mpitandro ny filaminana ny fiara nitondra azy, raha ny nambaran’I Rivo Rakotovao. Heveriny fa hanongam-panjakana angamba, kanefa ataoko fa tsy heloka ny fanaovana politika eto amin’ny firenena. Nilaza handrotsaka kandida amin’ny 2023 izy ireo, ary tsy amin’ny fifidianana filoha fotsiny fa amin’ny fifidianana rehetra, antony hitakian’izy ireo ny lalao madio sy fangaraharana amin’ny fitsipika sy lalàna momba ny fifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT