Politique

Politika Manomboka mandranitra ady ny olon’ny fitondrana


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Ahiana hafana ny fifandonana eo amin`ny fitondrana sy ny mpanohitra raha amin`izao fivoaran-draharaha izao.

 

 

 

Mihazakazaka ny haka ny fon`ny vahoaka ny filoha Rajoelina sy ny antoko TGV MAPAR IRD. Hita izany amin` ireo fitsidihana any amin` ny faritra ataony. Tsikaritra tato ho ato fa manomboka mandranitra ady amin`izay ny olon`ny filoham-pirenena. Ny tambajotra serasera moa tena tokontany filalaovana amin` izao. Milaza ny heviny ny mpanohitra dia avy hatrany dia mamaly ireo olon` ny filoha milaza fa tsy mankasitraka ny fanakorontanana misy eto amin' ny firenena satria fantatr' izy ireo fa ao anaty fanoherana ny lehiben' ny fanakorontanana eto amin`ny firenena. Ohatra ny lasa kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena ary hita mihitsy fa ity fitondrana ity dia vonjy tavanandro fotsiny sisa ny paikady fa tsy misy zavatra maty paika. Raha ny lojika rehefa ato tapin-dalan-kaleha toy izao, na mitady vahaolana matotra na milavo lefona tsotr`izao. Saingy ity fitondrana ity dia tsy mba manana maha izy azy noho izy ireo tsy mahafehy ny fiainam-pirenena. Rariny kosa raha mitondra ny heviny ny fanoherana satria firenena mandalina ny demokrasia i Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT