Niraradraraka tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook tao hatry ny omaly
ny fanalana Baraka ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny fanoherana izao fitondram-panjakana izao. Nahazo ny anjara mamaivay tao anatin’izany moa ny filoham-pirenena teo aloha sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Marc Ravalomanana. Toy izany koa ny solombavambahoakan’I Madagasikara miisa 2, Fidele Razara Pierre sy ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa. Tsy vitan’ny fidirana lalina amin’ny fiainana manokan’ny olona na “vie privée” fotsiny fa tena fanaratsiana sy fanalam-baraka miharihary mihitsy. Manoloana izany anefa dia hita ho tazanim-potsiny ny zava-misy. Aiza ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka na “cybercriminalité”? Tsy vao sambany moa no nisy fanalam-baraka an-tambazotran-tserasera nihatra tamin’ny mpanohitra toy izao, izay efa nametrahan’ny avy anivon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, fitoriana mifandraika amin’izany saingy tsy mbola nahitam-bokany hatreto, raha ny fitarainan’izy ireo. Asa na hanao ahoana indray ny tohin’ireto manaraka ireto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.