Politique

Politika Iray tsy mivaky ny TIM


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Nisy omaly ny fivoriana niarahan’i Marc Ravalomanana tamin’ireo solombavambahoaka TIM (Tiako i Madagasikara) tao Faravohitra.

 “Antoko manana ny maha izy azy ny TIM satria misy ny paikady, ny fitsipi-pifehezana ary ny firaisankina”, hoy ny fampitam-baovao fohy tao amin’ny Pejy ofisialin’Atoa Marc Ravalomanana. Nifanandrify indrindra tamin’ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena ny omaly, ary heverina fa isan’ny nifanomezana toromarika ny mahakasika izany. Hita teny Faravohitra avokoa ireo 15 miisa satria tsiahivina fa nesorina tsy ho TIM intsony ny depiote voafidy tany Andramasina. Sary tsy hita tao anatin’ny fotoana naharitra ny fiarahan’ireo depiote rehetra lany tamin’ny anaran’ny TIM. Tsikaritra ho nisy ny fisarahan-dia, ary nanaporofo izany ny fandaharana miara-manonja, izay lasa nisy anankiroa. Niteraka resabe ny tsy nahitana ny depiote Fidèle Razara Pierre sy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa eny amin’ny Fikaonan-doha nasionalin’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) ny 23-24 jolay 2021,… Ankehitriny, mampiseho amin’ny alalan’ireo olom-boafidiny izany ny TIM fa iray tsy mivaky. Isan’ny noresahina tao anatin’ilay fampitam-baovao fohy rahateo ny resaka paikady, fitsipi-pifehezana, firaiankiana. Heverina ho karazana fiaingana vaovao ho an’ity Antoko ity sy manala ny ahiahian’ny mpiara-dia amin’izy ireo ny sary niseho omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT