Politique

Politika Hifandona ny samy depiote


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Iantsoanay ny vahoaka Malagasy, Iantsoanay ny olom-boafidy hifanome tànana,

 

 

 

fa tsy fotoanan’ny fifanenjehana sy fifanomezan-tsiny be fahatany izao, hoy ireo depiote mpanohana fitondrana omaly. Nambaran’izy ireo fa mampiely tsaho manerana ny haino aman-jery ireo depiote mpanohitra, ka tokony handray andraikitra ny birao maharitra satria andrim-panjakana lehibe ny antenimieram-pirenena, hoy ny solombavambahoaka mpanohana fitondrana. Matoa nidina teny an-dalambe izahay tamin’ny tolon’ny depiote 73 dia tsy nahazo sehatra tao amin’ny antenimieram-pirenena, ary mpitandro filaminana mirongo basy no niditra tao amin’ny toeram-pivorian’ny depiote teny Tsimbazaza ; saingy ankehitriny kosa afaka miresaka mazava ao hoy izy ireo.

Famakafakana sy Ampamoaka

Tato ho ato, niha nafana ny ampamoaka sy ny famakafakana ao anatin’ny Miara-manonja, ka isan’ny tena tsy mitsitsy fitenenana ao anatin’izany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre ary misimisy ihany ny dosie mafana resahan’izy ireo. Naneho hevitra avy hatrany momba io fanambaran’ny depiote mpomba ny fitondrana kosa ny avy amin’ny mpanohitra tamin’ny alalan’ny Filoha lefitry ny RMDM Pasitera Edouard Tsarahame. Manalasala ny fijerin’ireo depiote maro an’isa, solombavambahoaka no iantsoana an’ireo kanefa tsy nisy depiote nitsangana amin’ny harem-pirenena misy manondrana, hoy izy. Na iza na iza voarohirohy dia tokony hiarahantsika rehetra ny manasazy. Ny zavatra tsy tokony hataony no ataony, ka mikorontana ny sainy. Sao dia tokony ny mpitondra fanjakana no hampitandremana amin’ity resaka vidim-piainana, sosialy,… fa tsy ny mpanohitra, hoy izy, naneho fa tsy misy resaka fanonganam-panjakana sy fanakorontanana, araka ny nambaran’ny mpitondra. Aoka mba hahay handray lesona amin’ny zavatra lazaina, fa efa nampidi-doza ny tahaka izany, hoy i Edouard Tsarahame.

Fifanandrinana

Tsy misy kisendrasendra amin’ny fanaovana politika, ka inoana fa efa misy zavatra ketrehana any ambadika any mba hanakanana ireo solombavambahoaka TIM  tsy hanao ampamoaka intsony matoa niresaka toa iny omaly iny ireto olom-boafidin’ny antoko eo amin’ny fitondrana ireto. Mipetraka eto ny fanontaniana : ny samy solombavambahoaka izany ve no hifanasa vangy eto indray izao ; izy ireo izay mifankahafantatra tsara, ary samy mahalala tsara ny zavamisy eto ihany koa, mihoatra ny fantatry ny olon-tsotra sy ny mpanao gazety.Tantara efa hatry ny ela raha ny fifanandrinana eo amin’ny TIM sy ny IRD MAPAR.Henjana ny fifanandrinana 12 taona lasa izay fony teo amin’ny fitondrana ny TIM, ankehitriny sempotra amin’ny fitantanana ny firenena ny IRD MAPAR na ny TGV fahiny, tsy arakaraky ny fampanantenana tany anaty propagandy ny zava-miseho.Toa ny nataon’ny teo aloha ihany no averina ary ratsy kokoa aza, mitombo ny Malagasy mahantra fadiranovana ary ny tena mampiavaka izao fitondrana izao dia be loatra ireo aferafera vaky ambatolampy ka fanta-bahoaka.Afera manaporofo ny fisian’ny koliikoly avo lenta sy ny mihevitra azy ho tsy maty manota, afera manaratsy endrika tanteraka ny fitondrana ka mahatonga ny mpanohitra tsy hitsitsy fitenenana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT